Actualités

Fanjakana Malagasy Manahy ny tsy hahazo famatsiam-bola


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Tena mahamay ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mifanipaka ny fomba fijerin’ireo samy tompom-pahefana ka tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny fitantanana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Miseho lany ireo fitakiana samihafa ary manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana. Raharaha goavana miteraka resabe ankehitriny ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona tahaka ny zava-mitranga any amin’ny distrikan’Ankazoabo na koa ny fisamborana miampy herisetra nataon’ny mpitandro filaminana nihatra tamin’ny mpianatra iray teny Ankatso. Samy manameloka ny fampiasan-kery miaraka amin’ny tokony hanokafana fanadihadiana momba ireo karazana tranga mampalahelo ireo avokoa ireo tsy mankasitraka ny asa fampihorohoroana eto amin’ny firenena. Tsy isalasalana fa tena manaratsy endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny korontana miseho eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy.

Delegasionin’ny FMI

Tsy nivatravatra intsony fa niova fihetsika sy fomba fiteny ny mpitondra fanjakana Malagasy tao anatin’ny 48 ora. Nitondra fanazavana mikasika ny zava-nitranga teny amin’ny anjerimanontolo tamin’ny fanombohan’ny herinandro lasa teo, ohatra, ny tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nambara tamin’io ny fisokafan’ny fanadihadiana sy ny fandraisan’izy ireo an-tanana ny fitsaboana an-dRandrianamboarina Jean Pierre. Niditra an-tsehatra ihany koa ny minisitry ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ka niantso ny fitoniana sy fiaraha-mibanjina ny fampandrosoana ara-toekarena an’i Madagasikara. Manahy ny tsy hahazo famatsiambola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena amin’ny dia fitsirihana hataon’ny delegasionina avy amin’ny FMI amin’io herinandro ambony moa ny fanjakana Malagasy aorian’ny tatitra hivoaka ahafahana manao sonia ny fivoahan’ny vola trosa fanampiana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT