Mampiseho ny fanitsakitsahana ny zo sendikaly sy manimba endrika ny firenena Malagasy ny fandravana ny foiben-toerany eny Ankadifotsy ny
Firaisamben’ny Sendikan’ny Mpiasa Malagasy Revolisiona. Manaraka akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana izao ireo tompon’andraikitra sendikaly samihafa any ivelany sy ny Birao iraisampirenena momba ny Asa nametrahan’ny Fisemare fitoriana. Manameloka ny fanamparam-pahefana sy tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fandrodanana ny fotodrafitrasa ihany koa izy ireo. Miandry am-pitoniana ny tohin’ny raharaha mikasika ilay «Ordonnance des Référés» miaraka amin’ny fitsarana fanafoanana ny taratasy fifampivarotana nahazoan’ny mpifanandrina ny «titre foncier» moa ankehitriny ny mpitantana sy mpikambana ao amin’ny Fisemare. Ny birao foibe Fisemare izay manamafy ny maha ara-dalàna ny antontan-taratasy fanorenana trano tamin’ny taona 1987 nahazoana alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay mbola tompon’ny tany hatramin’izao. Miantso ny filohan’ny Repoblika sy ireo tompon’andraikitra mahefa samihafa eto amin’ny firenena hijery ifotony sy handray an-tànana haingana ny raharaha hamerenana sy hampanjakana ny rariny sy hitsiny ireo kamarady mpiasa ao amin’ny Fisemare.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.