Ny alakamisy 9 jolay 2015 no napetraka ny vato fehizoro manamarika ny fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Tsy mbola nanomboka mihitsy ny asa hatramin’izao, ary tsy fantatra ny hanombohany
. Niaiky omaly ny tale jeneralin’ny ACM James Andrianalisoa fa tsy ho tratra ny fe-potoana amin’ny novambra 2016 hampiantrano an’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ka noho izany efa mieritreritra paikady hafa hitaterana sy handraisana ireo mpandray anjara ny fanjakana Malagasy. Fampanantenana iray hafa indray tsy tanteraky ny fitondrana HVM izany ity fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato ity na dia nilokaloka fatratra aza ny filohan’ny repoblika fa mahavita zavatra ny fanjakana ary misy ireo mpiara-miasa matanjaka manohana azy. Ny Frantsay moa no hoe hiantoka manontolo ny asa goavana izay mitentina 120 tapitrisa euros ka mifandrimbona ao anatin’izany ny orinasa Aéroport de Paris Management, ny Bouygues Batiment International, ny Colas Madagascar ary ny Meridian Africa. Mazava ny resaka eto fa nihemotra tampoka ny mpamatsy vola matoa tsy nanomboka ny asa, tsy fantatra kosa anefa ny antony. Etsy an-kilan’izay, mandeha ihany koa ny feo fa mety hitsefotra tahaka ity fanitarana ny seranam-piaramanidina ity ihany koa ny fanorenana ilay « village de la francophonie » nambara fa atao eny Andohatapenaka ka nangalana ny tanin’ny Tiko.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.