Actualités

Fanisana ny mpifidy Miseho sahady ny ambadika isan-karazany


  • Alakamisy 04 Oktobra 2012

Miseholany sahady sahady ny ambadika samihafa amin’ilay fanisana ny mpifidy amin’izao fotoana izao.

 Raha ny zava-misy eny amin’ny Fokontany sasantsasany ao Antsirabe mantsy dia misy amin’ireo “Agent Recenseur” ireo no tsy mponina eny anivon’ny Fokontany akory ka nanaitra ny mponina ny fomba nanendrena azy. Na dia nolazaina aza fa ny Fokontany no tokony hanolotra ilay olona dia betsaka no nolavin’ny tany amin’ny Distrika ny anarana natolotr’ireo sefom-pokontany. Ankoatra izay dia disoin’ireo mpanisa ireo ny anaran’ny olona sy ny anaran’ny ray aman-dreny ary ny adiresin’ny olona isainy, kanefa dia omena azy mihitsy ny kara-panondro, raha ny tranga iray niseho tao amin’ny Fokontany Andraikiba ny talata teo. Teo no nahalasa saina ny mponina izay niharan’ny hadisoana toy izao fa toa tsy hanjary ihany ity fanisam-bahoaka ity raha tsy haraha-maso akaiky ny fomba fiasan’ireo mpanisa mpifidy ireo.

Raha tsiahivina, anisan’ny nohamafisin’ny lefitra voalohan’ny PDS-n’Antsirabe I, Randrianarison Olivier, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanisana ny marainan’ny Alatsinainy 01 oktobra 2012 lasa teo fa “Aoka tsy hisy fanavakavahana sy fanilikilihina ity fanisam-bahoaka ity na ara-pinoana na ara-pirazanana, indrindra fa ny ara-politika raha tiana tokoa ny hisian’ny fifidianana marina sy ho eken’ny rehetra”. Niahiahy mantsy izy amin’ny mety handisoana izay tsy mitovy firehana amin’ny mpitondra, satria raisin’ireo olona ho ny firehany no handisoana ny anarany toy izao. Voalaza moa fa raha tsy nampiaka-peo ireo voakasika tsy nahitsin’ireo mpanisa ny hadisoany. Mampieritreritra ity tranga ity satria ao Antsirabe tampon-tanàna aza toy izany ny fomba fiasa maika fa any ambanivohitra lavitra andriana any. Angamba hanararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpanisa mpifidy !


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT