Actualités

Fanisana ara-pambolena Tamin’ny 2004 no natao farany


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Fitaovana lehibe ilaina manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fananana antontanisa ara-potoana. Lesoka hita eo amin’ny sehatra maro samihafa eto Madagasikara anefa io tsy fisiana tarehimarika mazava io.

 

 Voakasik’izany manokana, ohatra, ny fanisana ara-pambolena izay efa tamin’ny taona 2004 no nanatontosana azy farany, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiompiana Ramparany Anthelme. Miteraka fahasahiranana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina izany raha tsy hilaza afa-tsy ny fikirakirana ny tontolon’ny fiompiana omby ankehitriny. Vahaolana iray efa noraisina ny fanaraha-maso akaiky ireo toerana famonoan’omby manerana ny nosy toy ny eny Vontovorona sy ny any Toliara. Mason-tsivana takiana amin’izy ireo ny fenitra manaja ny tontolo iainana sy ny sehatra ara-pahasalamana. Manodidina ny 9 hatramin’ny 9,5 tapitrisa moa ny isan’ny omby eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Omby 192 isan’andro no azo haondrana araka io vinavina ara-tarehimarika io, hoy ny minisitra.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT