Tsy nampoizin’ny rehetra ny fanalana ny filohan’ny fitsarana tampony, ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tampony nandritra ny filankevitry ny minisitra ny talata teo.
Ny tale ara-bolan’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ihany no efa fantatra andro maromaro fa nesorina noho izy voatonona tamina resaka kolikoly. Maro ny mihevitra fa noho ny olana isan-karazany amin’ny tontolon’ny fitsarana toy ny resaka kolikoly na koa ny fahatafatsoahan’ny gadra ahiana ho nisy kolikoly ny sasany no antony. Ny fanendrena tompon’andraikitra sy mpiasam-panjakana ambony dia resaka politika io raha ny fahalalako azy, hoy kosa ny talen’ny seraseran’ny minisiteran’ny fitsarana Jeremie Napou tamin’ny fakana ny heviny sy fangataham-panazavana eo anatrehan’ny zava-misy. “Hatreto, na izahay aza manontany hoe misy hifandraisany ve sa tsy misy amin’ny resaka kolikoly io ?”, hoy izy. Raha ny fijeriny manokana kosa dia nambarany fa tsy tokony hisy an’izay resaka izay fa noho ny toerana ifandimbiasana. Ny talen’ny fandraharahana ny fonja teo aloha Désiré Randrianandrasana izao, hoy izy, dia tsy anisan’ny voatonontonona tamin’ireny resaka afera rehetra nandalo ireny ny anarany raha ny fahitako azy. Manoloana ny resaka mety nisian’ny fahadisoana goavana tamin’ny asa na ilay antsoina hoe “Faute Professionnelle” dia tsy nisy ny fangataham-panazavana notakiana taminy na “demande d’explication”, ary tsy nisy torak’izany ihany koa ny fampiakarana azy teo anivon’ny filankevi-pifehezana na CODIS. Mety ho fifanojoana na efa programan’ny mpanendry ny fanesorana azy angamba, hoy ny talen’ny seraseran’ny minisiteran’ny fitsarana satria izy no manana ny fahefana mametraka sy manala olona eo.Tsy misy fanampim-panazavana ofisialy no mahatonga ny resaka tahaka izao miitatra ka mahatonga ny tombatombana maro samihafa, ka anisan’izany ny hoe :tsy mazava ary tsy mangarahara ny antony nanesorana ny tale jeneralin’ny fonja teo aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.