Actualités

Fanenjehana dahalo Aiza ilay helikoptera manara-penitra e ?


  • Talata 13 Novambra 2012

Sady tsy re no tsy hita popoka hatramin’izao ny momba ilay helikoptera maoderina mahazaka olona maro nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hampiasaina amin’ny ady amin’ny dahalo.

 Lany andro sy reraka amin’ny dia an-tongotra ny miaramila, hany ka tafaporitsaka foana ry Remenabila. Ambara fa efa fantatra ny toerana misy ireo dahalo, saingy rehefa tonga eny ny miaramila dia efa tsy misy n’iza n’iza intsony ao (?). Lava dia lava mantsy ny elanelam-potoana amin’ilay hanapahan-kevitra ho any amin’ilay toerana sy ny fahatongavana any. Miha mazava koa izao fa misy mpanome vaovao ny dahalo ka vantany vao miainga ireo andian-tafika hanafika azy dia efa miova toerana ndray izy ireo. Tsy misy afa-tsy ny fampiasana helikoptera haingam-pandeha sady mahazaka miaramila maro ihany no hahafahana manafika ny dahalo, saingy tsy hita ihany moa hatramin’izao izay tena marina.

Nilaza i Andry Rajoelina fa hisy ny teknisiana avy amin’ny foloalindahy alefa any ampita hijery izay fitaovana ilaina, anisan’izany ilay helikoptera, saingy toa tsy mbola nisy mihitsy io hetsika io, hatramin’izao, fa nahoana ary ? Sa ve iandrasana ny vola azo avy amin’ny famarotana ilay Air Force One 2, ny vola hividianana ilay helikoptera manara-penitra ho an’ny foloalindahy ? Efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny volana septambra ihany mantsy fa orinasa frantsay no mety hividy ilay Air Force One, ary mbola any Frantsa ihany koa no mety hividianana ilay helikoptera.

Misy mihitsy aza ireo mieritreritra hoe mety tonga dia atakalo helikoptera sy fitaovam-piadiana ilay Air Force One 2 fa tsy misy ankandray vola izany intsony. Raha ny tena marina mantsy dia efa mitady tsy haharaka ny fampanantenana ataony intsony, ny vola eo am-pelatanana ny fitondrana tetezamita ka matetika efa avy mampanantena zavatra iray Atoa Andry Rajoelina vao mikaroka ny fomba hanatanterahana azy, fa atao fotsiny aloha izay hanairana ny sain’ny olona e ! I Maintirano izao nampanantenaina hopitaly manarapenitra sy oninversite, nefa hatramin’izao toa tsy misy mangirana sa farafaharatsiny mba efa nampanantena aloha e, dia ho hita eo ihany ny tohiny  !

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT