Misavorovoro ao Manakara renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ankehitriny taorian’ny namoahan’i Manorohanta Cécile Marie Ange, Praiminisitra lefitra nisahana ny atitany ny 21 mey 2010 didim-pitondrana laharana 12.495/2010 mametraka delegasiona manokana ao amin’ny kaominina ambonivohitra Manakara.
Io didim-pitondrana io dia manamafy ny didim-pitondrana 49644/2009 navoakany ny 19 novambra 2009 manendry ny delegasiona manokana hitantana ny tanànan’i Manakara ary mamindra vonjimaika ny andraikitry ny Ben’ny tanàna sy ny ekipan’ny mpanatanteraka tarihiny sy ny mpanolotsaina monisipaly hotantanan’ny delegasiona manokana izay ahitana mpikambanja telo dia, Sileny Harimanitra Alban (filoha), Maharetasoa Gabriel (lefitra voalohany) ary Benja Andriatsizehena Parfait (lefitra faharoa). Vao nivoaka io didim-pitondrana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 io dia nentin’ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ary nahazo ny isam-bato mazava mihoatra ny 64%-n’ny vato manankery ny 12 desambra 2007, teny amin’ny Filankevi-panjakana. Fitoriana roa sosona no indray nipetraka tamin’izay, narahan’ny mpisolovava Rakotonandrasana Samuel, andaniny ny fampiatoana ny fampiharana io didim-pitondrana io ankilany ny fanafoanana azy tanteraka. Nofoanan’ny Filankevi-panjakana nandritra ny fotoam-pitsarana ny alakamisy 18 martsa ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany manendry delegasiona manokana hitantana ny tanànan’i Manakara.
Ny 15 desambra 2009 no efa namoaka didy laharana faha-160 ny Filankevi-pitsarana mampihatona ny fampiharana io didim-pitondrana io, ary mbola nohamafisiny nandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 14 janoary 2010 raha nangata-panazavana mikasika ny andininy faharoa tamin’io didy fampiatoana laharana faha-160 io ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Manakara, Andriano Giscard. Andininy izay milaza fa «mihantona ny fampiharana ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 manendry delegasiona manokana ahitana an’i Sileny Herimanitra Alban (filoha), Benja Andriatsizehena Parfait (lefitra voalohany) ary i Maharetasoa Gabriel (lefitra faharoa) hitondra ny tanànan’i Manakara». Nohamafisin’ny Filankevi-panjakana ny didy. Vokany, tsy manankery fa foana toy tsy misy avokoa na ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany na ny didim-pitondrana laharana faha-41/09/REG/VAT-FIT/CR navoakan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny 21 desambra 2009 mampihatona vonjimaka amin’ny asany ireo mpikambana rehetra ao amin’ny birao mpanatanteraky ny Kaominina Manakara sy ny Delegasiona manokana. Io didy fandravana navoakan’ny Filankevi-panjakana ny14 janoary 2010 io no mamerina amin’ny toerany an’i Andriano Giscard hanao ankalalahana ny asa maha Ben’ny tanàna azy.
Eo no mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny mbola namoahan’i Manorohanta Cécile didim-pitondrana laharana 12.495/2010 indray mamerina io delegasiona manokana io, nefa didy tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny Filankevi-panjakana, raha tsy hoe angaha hanao izay hampisavorovoro ny efa milamina indray. Izy rahateo nesorina tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.