Herintaona mahery volana vitsivitsy izay no teo amin’ny fitantana ny firenena ny filoha Rajaonarimampianina Hery.
Nanamarika ireo 15 volana voalohan’ny fitondram-panjakan’ny Repoblika faha-IV ny fanovana ireo mpitantana sy mpiasam-panjakana ambony. Tsy nitsahatra mihitsy moa ny filankevitry ny minisitra fanendrena ireo tompon’andraikitra manampahefana mpanatanteraka eto amin’ny firenena. Vao taona iray mahery monja no lasa dia efa governemanta roa sahady no nifandimby nitantana an’i Madagasikara. Tsy lazaina intsony ny fanoloana ireo mpitantana isan-tsokajiny eny anivon’ny minisitera sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Efa niteraka resabe rahateo ny momba ireo mason-tsivana toy ny diplaoma sy ny traikefan’ireo kandida nomena andraikitra ambony eto amin’ny firenena vao tafapetraka tamin’ny toerany ny filoham-pirenena. Tsy nahazoam-baliny mahafa-po ny vahoaka anefa izany ka izao tonga amin’ny andrana sy ankadasitra izao foana ny fitantanana ny fiainam-pirenena. Fehiny, tsy mahagaga raha tsy hita taratra mihitsy ny fandrosoan’i Dago.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.