Actualités

Fanenan-tsazin’ireo voafonja ny 26 jona Mody fanina ny ministeran’ny fitsarana ?


  • Alakamisy 15 Jolay 2010

Efa ho 18 andro aty aorian’ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT ny 26 jona teo tao amin’ny lapan’Iavoloha ny fanomezana fanenan-tsazy ireo voafonja noho ny heloka tsotra, dia mbola re be tsy re kely ny amin’ilay didim-pitondrana mifanaraka amin’izany tokony havoakan’ny ministeran’ny Fitsarana.

Nambaran’ireo mpisolovava miaro ireo voafonja tokony hahazo ity fanenan-tsazy ity fa “mody fanina sy tsy mety mamoaka ny didy mifandraika amin’ilay fanenan-tsazy nambaran’ny filohan’ny FAT ny ministera. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tsy miandry herinandro akory aorian’ny fanambarana iny dia efa tapitra mahazo ilay didy mamaritra ny fanenan-tsazy ny fitsarana misy sy ny fonja manerana ny Nosy”. Mametra-panontaniana moa izy ireo sao mba tsy nifampiresahana fa eritreritra tonga tampoka tao an-tsainy no nambara ka mahatonga fahasahiranana na fisavoritahana amin’ny famoahana ny didy mamaritra azy hatramin’izao. Na izany aza dia nambaran’ny lehiben’ny fonjaben’i Toamasina fa “eo am-piandrasana ilay didim-pitondrana avy amin’ny ministera mpiahy anay izahay dia hanatanteraka farany izay haingana izay voalaza, ka raha vantany vao tonga izany dia tsy miandry 24ora akory dia mivoaka avokoa ireo hahazo izany. Raha ny voalaza mantsy dia efa hitanay sy voasokajinay avokoa ireo hahazo izany, nefa tsy afa-manoatra izahay eto anivon’ny fonja raha tsy tonga ny didy mamaritra izany mazava”.

Samy miandry izay didy avoakan’ny ministeran’ny fitsarana izany ireo voafonja tokony hahazo ny fanenan-tsaziny, toraka izany koa ny fianakavian’izy ireo ary eo koa ny fonja mba hampihenana ny fahamaroana voafonja hazonina ao amin’izy ireo efa mihoatra roan-jato heny ny isa zakany. Marihina fa miisa 1 024 ny voafonja ao Ambalatavoahangy ankehitriny.
Nangonini Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT