Anisan’ny raharaha mbola mitana ny sain’ny maro hatreto ny fisian’ilay tsaho niely momba ny vaksinina pesta izay tena nampisahotaka ray aman-drenin’ny mpianatra marobe tamina faritra maro, ny herinandro teo.
Mety hampigadra anefa ny fanelezana tsaho tahaka ireny satria tafiditra ao anatin’ny fanaparitahana vaovao tsy marina, hoy ny kaomisera Jean Victor Tsaramonina Ravony, lehiben’ny commissariat central Tsaralalana - Antananarivo. Zavatra telo loha no mety haterany izay samy voasoratra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana avokoa ( code pénal) dia ny mety hisian’ny fanimban-javatra, ny vono olona ary ny vesatra ara-moraly izay tena misy fiantraikany vetivety tokoa toy ny nahazo ireo ray aman-dreny rehetra teto an-drenivohitra ny herinandro lasa teo. Ny nampalahelo tamin’ireny tranga ireny dia mora handairan’ny tsaho isika Malagasy. Tsy mba nisy akory nijery na nanaporofo ny tena zava-misy marina fa vao mainka nanely ilay tsaho indray aza. Tsy nisy ihany koa ny niantso mpitandro ny filaminana, antony nahatonga azy ireo hametraka laharam-pinday mazava eny anivon’ny talen-tsekoly sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hahafahana mifandray sy mifanampy raha vantany vao misy zavatra mampiahiahy tahaka ireny. Miantso ny rehetra mba samy ho olom-pirenena tompon’andraikitra ny tenany hisorohana ny tranga mampisavorovoro tahaka ilay tsaho momba nytsindrona vaksinina pesta. Mikasika ireo mpitandro ny filaminana manao “patrouille” mitety faritra maro isan’andro dia nomarihiny manokana fa hiaro ny vahoaka sy ny fananany no tena antom-pisian’izy ireny. Manana tanjona hanakorontana ny mpanely tsaho ka aoka samy ho mailo hatrany, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.