Miandry ny fankatoavan’i Andry Rajoelina sisa dia hijoro sy afaka miasa ny Filankevitra ambony iombonana ho amin’ny fanelanelanana sy ny soatoavina na CSMME.
Nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ity filankevitra ity tetsy Andrainarivo no nanambaran’ny jeneraly Rakotonandrasana Noel fa efa nisy ny fifampiresahana tamin’i filohan’ny FAT ka nanomezan’ity farany toky ny hananganana azy izay hialohavan’ny fanamafisina ireo rafitra ao aminy anefa. Raha akapoka dia mizara roa ny asany dia ny fanomezana soso-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ny asa fampandrosoana sahaniny sy ny fampihavanana manoloana ny olana ara-politika, ara-piarahamonina sy fihariana, ara-pinoana ary ny ara-tafika. Antsoina hanatevina ny filankevitra, araka izany, ny olona tsara sitrapo, ny tangalamena, ireo manampahaizana ary ny miaramila tsy manana fiandaniana. Nanaitra ny maro ihany ny fisian’ity CSMME ity, satria toa mifanitsaka andraikitra na misosoka ny asan’ny “Médiature de la République”, izay in-drao miantoana no nanankinan’i Andry Rajoelina andraikitra hamory ireo ankolafin-kery mpomba ny FAT teny amin’ny Panorama ny 30 jolay 2009 mba hamoaka fehin-kevitra iraisana hotohanana nandritra ny dinika famahana ny krizy tany Maputo Mozambika, dia nisy indray ny 2 febroary 2010 teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato, nandinihana ny fanatanterahana fifidianana. Niezaka nanazava anefa ny jeneraly Rakotonandrasana Noel fa manamafy ny asan’ny “Médiature de la République” fa tsy sanatria manitsaka ny andraikiny akory ny CSMME.
Nitondra fanazavana fanampiny momba ny fomba fiasany i Zaranaina izay nanambara fa mpanelanelana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ny filankevitra. Raha misy fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana dia ny filankevitra no mampita izany amin’ny valalabemandry. Rafitra nalaina tahaka avy amin’ireo firenena eoropeanina avaratra izy io ary hita ny fahombiazany, hoy izy. Nanampy koa ny jeneraly fa anjarany koa ny manara-maso ireo fifanarahana vita ary manana fahefana hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ity rafitra ity raha hita fa mivaona amin’ny nifanarahana tamin’ny vahoaka ny lalan-kizorana. Momba ny dinika any Pretoria dia nanambara ny minisitry ny foloalindahy teo aloha fa tsy hahasolo tena ny vahoaka malagasy rehetra ny hevitra tinapaky ny ankolafy efatra any Pretoria ary ahiana hitondra olana vaovao indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.