Actualités

Fandrobana volam-panjakana Raikitra ny kajy maloto


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Miverina indray ve ny kajikajy politika hahafahana mandroba ny volam-panjakana, ka nanesorana ny tompon’andraikitra ambony maro ?

 

Niala ny minisitry ny vola teo aloha Rakotoarimanana Gérvais; nesorina indray ihany koa ny Sekretera jeneraly sy ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana. Re fa efa notendrena mangingina ihany koa ny Tale jeneralin’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso, izay tsy nampahafantarina hoe iza ? Mahalasa saina sy mampametra-panontaniana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fitantanana ny volam-panjakana ankehitriny. Raha ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao kosa, dia paikady maloto hahafahana mandroba sy migalabona amin’ny volam-panjakana no tanjona ao anatin’izany, ka nesorina avokoa aloha izay olona atahorana hanohitra ny kajikajy maloto tian’ny sasany hatao, indrindra fa ireo tompon’andraikitra ambony efa nifandray tendro tamin’ny Minisitra nametra-pialana, izay tsy nitovy fijery tamin’ny mpitondra amin’ny kajy maloto isan-karazany. Efa niseho ny toe-javatra mitovitovy amin’izany ny taona 2015, izay nanalana ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana  Orlando Robimanana tamin’izany fotoana. Niparitaka ny vaovao tamin’ireny fotoana ireny fa ny tsy fanekena ny fandrobana ny volam-panjakana no antony. Nalaza tamin’izany fotoana izany fa volabe mitentina 40 miliara ariary no noteren’ny HVM tamin’ny alalan-dry Rivo Rakotovao sy ny ekipany navoaka tao amin’ny tahirimbolam-panjakana, saingy nanda hatramin’ny farany i Orlando Robimanana, ka nodakana hiala tamin’ny toerany. Efa nitsangana niaro azy ny mpiasa tao amin’ny sampan-draharaham-panjakana io, saingy voarodan’ny mpitondra tamin’ny toerany ihany ity farany.

Famoaham-bola tsy mazava

Saropady tanteraka ity raharaha momba ny volam-panjakana ity, ka raha ny resaka sy vaovao nivoaka tany amin’ny fiandohan’ny volana mey dia toa hoe nisy ny famoaham-bola miala ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara Antaninarenina, ka mitentina 19 miliara Ariary isan-kariva izy io, araka ny loharanom-baovao iray. Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao na tompon’andraiki-panjakana iray aza nijoro nandiso ny fisian’izany. Re tamin’izany fa alefa any Sambava (faritra SAVA) amin’ny alalana fiaramanidina manokana mihitsy ny vola be mivoaka avy etsy Antaninarenina. Na ny momba ireo vola vaovao natonta ihany koa aza, dia tombanana ho misy politika maloton’ny mpitondra, toy ny hoe mba hanamorana ny famotsiam-bola, hiomanana amin’ny propagandy,… Afaka manao izay danin’ny kibony mantsy ny fanjakana ankehitriny amin’ny hanaovana volam-panjakana, ka izay mety hanelingelina dia botiana, ary toe-javatra mety hanamarina izany ny fialana sy fanalana tompon’andraikitra ambony teo amin’ny resaka fitantanam-bolam-panjakana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT