Mandrava efa toy ny voalavo no ataon’ny Malagasy sasany ankehitriny. Tsy mba manana toe-tsaina tia sy miaro ny fananana iombonana fa dia ny hangalatra sy ny hanimba no masaka an-tsaina.
Mitohy hatrany mantsy ny fangalarana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’iny lalana mihazo an’i Fenoarivo iny, ka vitan’ireo tsy mataho-tody mihitsy ny mihady ireo vatoaratra milevina ao ambanin’ny tany ankoatra fakana ny takelaka mihantona eny ambony amin’ny andrin-jiro. Ny eny amin’ny lalan’ny Frankofonia Andohatapenaka moa, dia tena efa bangabanga be ireo jiro noho ny fangalarana. Tsy ny resaka jiro ihany fa rehefa fotodrafitrasa sy fananam-bahoaka eto amintsika dia zary lasa tsizarizary sy tsy hajaina mihitsy. Ny hopitaly manara-penitra tamin’ny andron’ny tetezamita any Manakara amin’izao efa robaka tanteraka satria voalaza fa misy maka sy mitaona amin’ny fiara mihitsy ny tafo. Tsy idirana ny nanao sy nanamboatra azy fa mila kajiana sy tandrovina hatrany kosa izy ireny. Lany andro manakiana ny mpitondra fanjakana isika amin’ny hoe tsy mahavita na inona na inona, mangataka fotodrafitrasa izao sy izatsy, saingy ny eo aza toa tsy misy mpiraharaha sy potehina. Toa zary fomba fanao eto ny manilika ny rihitra rehetra sy ny tsy fahombiazana any amin’ny mpitondra na dia ny toe-tsain’ny vahoaka izao aza indraindray no fositra. Raha mbola ny vahoaka no manao izay saim-patany sy tsy mijery lavitra fa mandrava efa toy ny voalavo hatrany, dia azo antoka fa tsy handroso sy tsy hivoatra isika na mbola afaka arivo taona aza. Mila mpitondra maharesy lahatra ny rehetra sy mahatarika azy ary inoany teny sy atokisany ihany koa anefa satria tsy hisy zava-banona amin’ny fifanakianana sy fifanenjanana lava eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.