Actualités

Fandrobana ny harem-pirenena Vatosoa 25 T no tratra tao Toamasina


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2015

Araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany, dia ny talem-paritra amin’ny seranana misy ny fanondranana ny harena ankibon’ny tany no manome ny fahazoan-dalana ny fanondranana ataon’ireo mpandraharaha,

 

hanamora ny fanaraha-maso ny hosoka mety hitranga. Tsy izay anefa no nitranga tamin’ireto “Quartz fumé” 25 taonina tratra tao amin’ny ladoan’ny seranan-tsambo Toamasina ireto, fa ny mpiasan’ny minisitera teto Antananarivo no nanome ny fahazoan-dalana.

 

Alefa any Chine

 

Raha ny voalaza ny taratasy teo am-pelatanan’ny “Express Transit Sarl” nikirakira ny fanondranana ny kaontenera laharana 381286/1 “20” an’ny orinasa “Rakotoniaina Jean Marie” eto Antananarivo, dia “Quartz Girasol” ireo vatosoa aondrana any Chine ireto. Raha natao anefa ny fisavana ny entana, izay lalàna vaovao eo anivon’ny ladoany no tsy maintsy hisavana ny entana rehetra aondrana na hafarana na efa mandalo “scanner” aza, hoy Atoa Ramaherison Tolojanahary resevera ny ladoany Toamasina, dia tratra ireo “Quartz Fumé” saika naondrana tamin’ity teratany sinoa Jiang Su Sheng monina any Lian Yun Gang-Chine. Ny tsy fitovian’ny vidiny sy ny hatsaran’ireto karazana “Quartz” roa ireto no ilazan’ny ladoany Toamasina sy ny talem-paritry ny harena ambanin’ny taniny Atsinanana ny hosoka natao. Raha raha ny fanazavan’Atoa Amable Andre talem-paritry ny harena ankibon’ny tany Atsinanana, dia 1 dolara isaky ny kilao ny “Girasol” raha mahatratra 4 dolara kosa izany ho an’ny “Quartz Fumé”. Efa nitranga ihany koa ny toy izao tamin’ilay raharaha nikela an’Ambatovy nisy saika hanondrana tany Pays-Bas, izay voalaza tao anaty taratasy fa “Jaspe”. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana sy ny fampiharana ny lalàna ho an’izay tompon’antoka amin’ny fandrobana ny harem-pirenena tahaka izao, miandry ny tena marina sy ny mangarahara kosa anefa ny rehetra fa tsy sanatria alamina mangingina tahaka ny raharaha boaderôzy indray ity resaka ity.

 

Ragasy:mamay be le boaderôzy sy hipôkampy de vatosoa ndray no ketrehan-dry kelimaso e!


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT