Actualités

Fandroahana mpiasa tao amin’ny SAMVA Hiakatra fitsarana anio ny raharaha


  • Alatsinainy 09 Aprily 2018

Mitohy hatrany ilay raharaha nandroahana mpiasa tsy ara-drariny teo anivon’ny orinasa SAMVA.

Nohenoin’ny fitsarana mantsy ny fitarainan-dRazafindrafidy Paul  Ignace, raim-pianakaviana iray   nitana ny andraikitra “coordonnateur de service des odures menageres” teo anivon’ity orinasa ity rehefa nametraka fitoriana tany amin-dRtoa talem-paritra momba ny asam-panjakana sy ny lalana ary ny asa sosialy ny tenany ny 5 martsa. Hiakatra fitsarana anio alatsinainy 9 aprily  ny raharaha, araka ny loharanom-baovao azo, ahitana ny solontenan’ny SAMVA  ao amin’ny direction regionale de la fonction publique sy ireo voakasika.  Raha tsiahivina kely ny tantaran’ity raim-pianakaviana iray ity dia tamin’ny taona 2016 ny tenany no niditra tao amin’ny SAMVA,  miasa mandritra ny ora valo isan’andro ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma raha tsy misy ny olana. Raha sanatria ka misy kosa ny olana dia miakatra sabotsy sy alahady ny lehilahy na miasa alina mihitsy. Rehefa mba nitaky ny zon’ireo mpiasa ao amin’ny SAMVA anefa ny tenany volana vitsy lasa izay dia nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ka tsy afaka niasa, tranga  izay niafara tamin’ny fampidirana am-ponja mihitsy niaraka tamin’ireo namany roalahy. Anisan’ny valin-teny mahafa-po andrasany amin’ny Fitsarana moa amin’ity andro anio ity ny hamerenana azy hiasa eo anivon’ny orinasa SAMVA indray. Toraka izany koa onitra noho ny fanodinkodinana ny latsak’emboky ny Cnaps niainany teo anivon’ny orinasa SAMVA, ny  onitra noho ny nandroahana tsy ara-dalàna  azy, ny tsy fanajana ny classification de catégorie tokony hisy…

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT