Actualités

FANDREFESAN-TANY Mbola vitsy ireo tena matihanina amin’izany eto amintsika


  • Alakamisy 27 Aogositra 2015

Mbola tena vitsy ireo matihanina amin’ny fandrefesan-tany eto amintsika. Lesoka goavana mahatonga ny ankamaroan’ny olona hanaotao foana izany, antony nikarakaran’ny fivondronan’ny mpianatra miofana ho mpandrefy

 

tany matihanina eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona sy La Frantsa, ilay hetsika herinandron’ny fananan-tany tanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Haharitra telo andro ny hetsika ka anisan’ny tanjona ny hahafahana mampivondrona ireo mpisehatra eo anivon’ny fandrefesan-tany eto amintsika miaraka amin’ireo karazana agence maro samihafa. Misy, araka izany, ny fanentanana hataon’ny fikambanana ny mikasika izany ankoatra ny fampahafantarana ny olona izay tokony ho fantany momba ny fandrefesan-tany. Tena zava-dehibe loatra ho antsika eto an-drenivohitra izao hetsika izao ho an’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina voafidy tao amin’ny Boriborintany fahadimy no sady filohan’ny voamieran’ny fananantany eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Mila mpandrefy tany hatrany mantsy ny olona, hoy izy rehefa hanorina fotodrafitrasa satria na dia tanin’olona iray metatra aza no tafiditra any amin’ny faritra misy ny olona iray dia azony atao tsara ny mandrodana trano.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT