Tsy mbola mivoaka ofisialy akory ny valin’ny fifaninanana handraisana «Inspecteurs d’Etat» miisa 30 tamin’ity indray mitoraka ity, dia re izao fa homena tombondahiny ny 19 amin’ireo mpiadina.
Mitohy ny resabe manodidina ny fifaninanana handraisana «Inspecteurs d’Etat» natao tamin’ny 7 ka hatramin’ny 10 aprily lasa teo. Nisy 262 ireo mpiadina, ka 30 amin’ireo ihany no horaisina. Vita tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana. Eo am-piandrasana ny valin’ny fifaninanana anefa dia efa mandeha sahady ny resaka fa misy kandida 19 amin’ireo no tsy maintsy hafahana, ka manamboninahitra ambony ny antsasamanilan’izy ireo. Misy minisitra tamin’ny tetezamita, misy lehiben’ny Faritra am-perinasa, fa ny mahazendana dia ny fahalalana fa misy amin’ireo no tsy mahafeno akory ireo masontsivana takiana amin’ny kandida saingy noho izy ireo namana na kandidan’ny lehibe dia tsy maintsy horaisina. Tany am-piandohana no efa nampimenomenona ireo kandida ity fifaninanana ity noho ny fanenonenon’ny vola ka nivoahan’ny resaka hoe «sady fanadinana maloto no kitoatoa”. Nanampy trotraka izany ny tsy nisian’ny fanaraha-maso ataon’ny Bianco toy ny fahita rehefa misy fifidianana andraisana mpiasam-panjakana, hampanjakana ny mangarahara sy hisorohana ny kolikoly. Vao mainka nampitombo ny ahiahy ny fivoahan’ny resaka fa misy kandida tsy maintsy hafahana. Asa na mbola azo lazaina ho fifaninanana ihany izy ity, na sehatra hametrahana ireo namana mba hifampiarovana ? Mankaiza ity Madagasikara ity raha mpiasam-panjakana ambony izay miantoka ny maha tany tan-dalàna sy Fanjakana tsara tantana dradraina eto no toy izany ny handraisana azy ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.