Actualités

Fandraisana «Inspecteurs d’Etat» Fifaninanana «maloto sy kitoatoa»


  • Talata 14 Aprily 2015

Vaky vava izay nandre, kivy sy tofoka tanteraka ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana handraisana «Inspecteurs d’Etat» miisa 30 tamin’ity indray mitoraka ity.

 


«Fanadinana sady maloto no kitoatoa», hoy ny fanehoan-kevitr’ireo kandida nandray anjara. Nisy 262 izy ireo no tafavoaka tamin’ny fisivanana ny antontan-taratasy, ka afaka niatrika ny fanadinana tamin’ny 7 ka hatramin’ny 10 aprily lasa teo. Tany dia efa niteraka resabe, satria nanenoneno ny vola ka nahatonga ny fangatahan’ny mpifaninana hanafoana ity fifaninanana ity.  Fahita ary efa mahazatra teto ny fanaraha-maso ataon’ny Bianco rehefa misy fifidianana andraisana mpiasam-panjakana, hampanjakana ny mangarahara sy hisorohana ny kolikoly. Nahagaga fa tsy mba nisy izany ity fanadinana handraisana «Inspecteurs d’Etat» ity. Inona no antony ? Sa noho ny Bianco sy ny “Inspection Générale de l’Etat” samy miankina amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ? Mahatsikaiky rahateo moa fa anisan’ny mpiadina ny lehibe mpiahy ity foibem-pitondran-draharaha ankapobeny iray ity. Fa mampametra-panontaniana ny maro koa ny nanemorana tampoka ny fe-potoana farany nandraisana ny antontan-taratasim-pifaninanana ho tamin’ny 20 febroary 2015, raha tokony ho nifarana ny fiandohan’ny volana febroary. Misy kandida kendrena manokana hafahana angaha sa tombontsoan’iza ? Mankaiza marina ity firenentsika ity raha mpiasampanjakana ambony izay miantoka ny maha tany tan-dalàna sy Fanjakana tsara tantana dradraina eto no toy izany ny handraisana azy ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT