Niala tamin’ny fahanginany ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja manoloana ny fanelingelenana azy ireo amin’ny asany sy ny fitaovana tsizarisary ampiasain’izy ireo, nefa ny asa saropady
. Nanao fanambarana izy ireo omaly fa tamin’ny 2008, nandritra ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, no mba nahazo fiara fitondrana voafonja farany, simba avokoa anefa ireo, ka voatery manofa taksibe 119 raha hitondra voafonja hamonjy tribonaly. Dedaka ny fitondrana ankehitriny hametraka fandriampahalemana, hiady amin’ny asan-jiolahy sy ny kolikoly nefa fiara hitondrana voafonja aza tsy misy, ny 4x4 vaovao sy raitra anefa mameno tokotanina minisitera sy biraom-panjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.