Velon-taraina ireo «Agent Opérateur de saisie» ao amin’ny Distrikan’i Moramanga nanatontosa ny fandraisana an-tsolosaina ny lisitry ny mpifidy, noho ny ambaran’izy ireo fa “antsojay sy ny didy jadona” natao azy ireo.
Notsiahivin’ireto «Agent Opérateur de saisie» amin’ny taratasy mirakitra ny fitarainan’izy ireo fa araka ny fifanarahana arak’asa na «contrat de travail» nosoniavin’izy ireo ao amin’ny andininy faha-3 , dia voalaza fa 80Ar isaky ny “ligne” iray izany hoe isaky ny anaran'ny olona tsirairay voarakitra ny tambin-karama (une indemnité de QUATRE VINGT ARIARY par ligne enregistrée sera allouée au prestataire en contrepartie de sa prestation, laquelle lui sera réglée qu’à la fin des opérations de saisie et après certification du service fait par la commission).
Natao sy novitaina soa aman-tsara ny asa ary rehefa tonga ny fotoana handraisana ny vola dia nolazaina indray fa lasa 40Ar isaky ny olona voasoratra indray ilay tambin-karama, izay mifanipaka tanteraka amin’ny “contrat de travail” nosoniavina. Manaitra ny CENI-T sy ny fitondram-panjakana mahefa FAT ireo «Agent Opérateur de saisie» ao Moramanga ireo mba hijery akaiky izao zava-misy izao. Miantso ireo “Agent” eran’i Madagasikara izay voakasik’izao koa izy ireo mba hifanome tanana. Marihinay, hoy ireto «Agent Opérateur de saisie» mitaraina ireto fa mbola mijanona ho ambava fotsiny ihany io 80Ar nahena ho 40Ar hatramin’izao saingy “hentitra sy vonona ny tsy hanefa afa tsy 40 Ariary izy ireo” ary toa taratra sahady ho an’ny fifidianana ho avy izao fitaka sy halatra atao aminay izao.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.