Actualités

Fandorana ny Rovan’Ambohidratrimo Misy ambadika politika ?


  • Zoma 28 Aogositra 2015

Nisy nandoro indray ny rovan’Ambohidratrimo. Ny alarobia alina tokony ho tamin’ny 11 ora sy 40 minitra no nitrangan’izany.

 

 Tsy niandry ela fa tamin’ny 12 ora alina dia efa tonga nijery ny zava-misy ny kaominina Ambohidratrimo niaraka tamin’ny sampana mpamonjy voina sy ny mpitandro ny filaminana. Maty ihany ny afo, saingy efa tapitra may avokoa ireo trano manara teo ambonin’ireo fasana  fito an-dalana teo afovoany. Mbola nandrenesana fofona solitany ihany koa teny an-toerana hatramin’ny omaly fotoana nidinan’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny asa tanana ary ny vakoka tao amin’ity rova ity, izay nosoloin’ny sekretera jeneraly tena. Nambaran’ny renim-pianakaviana iray mpiambina ny rova eny an-toerana efa nandritra ny 30 taona fa fanahiniana nodorana ity rova ity, tranga izay tsy vao indray mandeha akory.

Fanakorontanana ?

Tsy maintsy misy foana ny fandorana vakoka sy toerana manana ny maha izy azy eo amin’ny tantaran’i Madagasikara isaky ny misy savorovoro na krizy eto amin’ny firenena, tsaroana ny lapan’Andafiavaratra, ny lapan’ny tanàna Analakely , ny rovan’i Manjakamiadana,ny toeram-piasan’ny RNM sy ny TVM.Matetika dia fanakorontanana saim-bahoaka sy paikady hampisy ny savorovoro sy fifankahalana no ao ambadik’ireny fandorana toerana manan-tantara ireny ka asa hoe inona indray no ketrika ao ambadik’ity fandorana ny rovan’Ambohidratrimo ity amin’izao fisian’ny savorovoro politika mandra-piandry ny voka-pifidianana ofisialy izao sy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka amin’ny fametrahana ny fitoniana.Nanambara ny teo anivon’ny minisitera fa tsy hitazam-potsiny izy ireo fa tsy maintsy handray ny andraikiny amin’ny maha mpiahy mivantana azy ireo ny vakoka na dia efa ny kaominina  aza no mitantana  ny fotodrafitrasa. Mbola nitohy tamin’ny fidinana  ifotony nataon’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta  Ravelonarivo Jean izany omaly hariva. Tsiahivina moa fa vao tapa-bolana lasa izay no nisy nandoro ihany koa ny rovan’Ambohitrimanjaka.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT