Namoaka fanambarana manoloana ny raharaha fandorana ny taratasim-panadinana tao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha na ny ENMG ny teo anivon’ny Bianco omaly. Nanamafy ity sampandraharaha ity fa naheno sy nahalala ny zava-niseho.
Nodorana ny taratasim-panadinana, ny firaketana an-tsoratra, ary ny dosie rehetra mifandraika amin’ny fanadinana natao ny 6-7 febroary lasa teo, izay nofoanana noho ny fiahiahiana resaka kolikoly. Tsara anefa ny manamarika, fa nohidiana teo imason’ny vadin-tany ny trano nisy izany mba hitandroana ny hasin’ny fanadinana, saingy novohaina nakana ireo taratasy nodorana. Nanamafy ny ny Bianco teo anatrehan’ny zava-nisy fa zava-dehibe tsy azo ihodivirana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanaraha-maso ny fifaninanam-panjakana. Antoka lehibe hahafahana mampitovy ny zanaka Malagasy amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny ihany koa, ka ny fahaizana no tena hikaonty. Nitsotra kosa ny teo anivon’ny Bianco fa tsy nahalala ny resaka famakiana ny toerana nanidiana ireo taratasim-panadinana niraketana, ny firaketana an-tsoratra, ary ireo dosie isan-karazany. Ireo dosie ireo anefa dia anisan’ny mety mbola ilaina amin’ny fanadihadiana momba ny fiahiahiana kolikoly tamin’ity fanadinam-panjakana ity. Nanamafy ny Bianco fa vao mainka nanamafy ny fahaverezan’ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ireny fifaninanam-panjakana ireny ny toe-javatra niseho tamin’ity raharaha ENMG ity. Na inona na inona nitranga dia maneho ny fahavononany hanohy ny fanadihadiana ny Bianco, na teo aza ny fanjavonan’ny porofo manan-danja sasany tao anatin’ny toerana nitazonana ny antontan-kevitra, izay efa nohamarinin’ny vadin-tany ny nanidiana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.