Actualités

Fandoavan-ketra eto Madagasikara Anjakan’ny gaboraraka


  • Zoma 24 Novambra 2017

11,9 % no tahan’ny fandoavan-ketra eto Madagasikara izay ambany dia ambany eto ambonin’ny tany.

 

 Mahatratra 15% anefa izany any amin’ny firenena Afrikanina sasany sokajiana ho mahantra. Manjaka loatra ny gaboraraka sy ny tsy fanajana ny lalàna. Tsy azo jerem-potsiny izany fa tsy mantsy handraisana fepetra. Ho hentitra kokoa ny fanjakana manomboka izao amin’ny fanaraha-maso ny fandoavan-ketra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana lavanila, ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ny fitrandrahana ny ala ary ny jono, hoy ny minisitry ny vola Rtoa Vonintsalama Andriambololona satria tena matevim-be ny vola mifamezivezy ao. Fantatra fa ny 2/3-n’ny Malagasy amin’izao no tsy mbola mandoa hetra, hoy Razafindrakoto Iory Garis, tale jeneralin’ny hetra, omaly, nandritra ny fankalazana ny faha-20 taona nisian’ny foibem-pitantanana ankapoben’ny Hetra etsy Anosy. Mbola misy amin’ireo 1/3 mandoa ihany koa no manao fanambarana tsy marina, antony mampitontongana hatrany ny fandoavan-ketra eto amintsika. Niainga tamin’ny 7 % tamin’ny taona 2016 ary efa tafakatra 12 % ankehitriny izay mbola mitaky ezaka be dia be tokoa.  Amin’ny alalan’ny hetra aloan’ny vahoaka no hahafahana  manamboatra sy manangana fotodrafitrasa toy ny tobim-pitsaboana, ny sekoly, hoy ny minisitry ny vola  Rtoa Vonintsalama Andriambololona izay nanome voninahitra ny lanonana. Nasiany resaka manokana ihany koa ny mikasika ireo sehatra tsy miankina izay tsy manara-dalàna avokoa ny ankamaroany nefa  tokony handoa hetra. Ao anatin’ny telo andro no hanaovana izao fankalazana izao ka misy ny varavarana misokatra handraisana ireo olona manana olana amin’ny resaka hetra na koa fananan-tany hahafahana manampy sy manoro hevitra azy ireny. Mikasika ny mety ho fiovan’ny hetra tambatra amin’ny taona 2018 ho avy io dia fantatra fa mety hisy fiovana  izany, miankina amin’ny fandanian’ireo solombavambahoaka ny lalàna mifandraika amin’izany. Raha 5 %, ohatra ny taha nalaina tamin’ny hetra tambatra 20 % teo aloha dia mety hiakatra hatrany izany miankina amin’ny habetsaky ny hetra tambatra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT