Actualités

Fandinihana Tetibolam-panjakana Mampifilafila ny depiote


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Tazana teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly fa efa tonga eny am-pelatanan’ireo Solombavambahoaka, izay tsy tapaka mamonjy fivoriana ny boky be anankiroa misy ny volavolan-dalàna mikasika ny fanitsiana ny teti-bola taona 2015 na ilay FLR 2015 nahabe resaka sy ny volavolan-dalàn’ny teti-bolam-panjakana taona 2016.

 

 Nifamahofaho be ihany raha ny hevitr’ireo solombavambahoaka ny mikasika azy ireo raha nanontaniana fa tao ny tsy nanisy olona amin’ny fahavononany handinika an’ireo volavolan-dalàna ireo, tao koa anefa ireo izay sahy nametraka fepetra toy ny tokony hampidirana ao anatin’ity fitaovana ity ny resaka FDL na ny vola fanampiana ireo Kaominina hiaraha-mitantana amin’ireo depiote vao mazoto hiditra amin’ny fandihana. Efa nivoaka indray aza ny feo fa hoe mitaky ny fanomezana azy ireo ny fiara 4x4 aloha ny depiote izay vao handinika sy handany ity teti-bola karazany roa tonga eny Tsimbazaza ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT