Actualités

Fanday mamotika voly any Afrika Mananontanona antsika ny loza


  • Zoma 24 Febroary 2017

Efa manomboka mihanaka any amina firenena vitsivitsy any Afrika ny karazana fanday iray ary mamotika ny fambolena toy ny vary, katsaka, sorgo ...

 ka atahorana ho tonga aty Madagasikara raha tsy misy ny fandraisana fepetra hentitra. Tany Nigeria no nahitana io karazana bibikely io voalohany ny volana janoary 2016, ary efa manomboka mihanaka any Afrika izany, anisan’ny efa mizaka ny voka-dratsiny ny ao Afrika Atsimo. Mahery vaika ary mamotika noho ny valala io karazam-biby io, ary ny tena loza dia tsy mety matin’ireny fanafody famonoana biby kely ireny. Milaza ny handray fepetra ny fanjakana, ka mitovitovy amin’ny fepetra noraisina nandritra ny nisian’ilay aretim-biby “fièvre aphteuse” efa tonga tatsy amin’ny nosy Maorisy no horaisina raha ny fanazavan’ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Rivo Rakotovao. Ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ny resaka fifanakalozana ara-barotra, indrindra fa fijerena akaiky entana ireo mety ahitana ity ahitana ity karazam-biby mety hitera-doza ity. Nilaza ity minisitra ity fa mety hiteraka fatiantoka ho an’ny mpandraharaha sasany izany saingy tsy maintsy miafy aloha isika manoloana ity loza mananontanona ity. Ahiana hiteraka tsy fahampian-tsakafo aty Afrika mihitsy ny fihanak’io bibikely io, ka raha sanatria tafiditra eto Madagasikara, dia vao mainka hitombo ny fahasahiranana efa mandifotr’olona eto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT