Mihamihena hatrany ny tetibola hampiasain’ny isan-tokantrano hiatrehana ny fety eto amintsika.
Anisan’ireny ny fetin’ny Paska. 100.000 Ar no betsaka indrindra mandritra ny roa andro ho ana ankohonana iray misy olona dimy na enina, tsy tafiditra ao anatin’izay ny vola hiatrehana ny sakafo talata. Misy aza ireo tsy manana mihitsy fa tsy maintsy mbola mitady ny harapaka isan’andro toy ireo mpivarotra..… Amin’ny ankapobeny, fanaovana sakafo miavaka kely amin’ny mahazatra no tena handanian’ny isan-tokantrano vola. Tsy dia misy loatra kosa ny fandaniana amin’ny fividianana solika handehanana mitsangantsangana ivelan’Antananarivo fa taksibe ihany dia efa mety. Misy indray ireo misafidy ny hijery fety izay miomana kely amin’ny fidirana fotsiny raha eny am-pandehanana eny vao mitady izay hotsakotsakoina mandritra ny tontolo andro. Ampahany amin’izany ireto nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Micka : Ny anay zao 100.000 Ar ny vola hampiasaina misy olona dimy mianaka. Ny alahady sy alatsinainy no tena handaniana io izay mety hiampy kely miankina amin’ny zava-misy.
Tojo : Izaho manomana ny batisan-janako amin’io alahadin’ny Paska io, manomana sakafon’olona 15 eo ho eo. 100.000 Ar no vola natokako ho amin’izay ary izahay mianakavy kely ihany fa tsy misy olon-kafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.