Na dia nisy tamin’ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’ny Fihavanana Petite Vitesse aza no velom-panahiana teo aloha mikasika ny asa fanatsarana sy fikarakarana ity tsena ity hotanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia tonga saina ihany izy ireo rehefa nohavazaina taminy ny tena marina.
Manaiky ny fandaminana ny ankamaroan’ireo mpivarotra noho ny fahatsapany fa ho tombontsoany ihany no antony hikarakaran’ny kaominina azy io. Vokatry ny honohono, hoy ny lehiben’ny tsena Razafindrakoto Mbolatiana no niteraka ilay olana teo aloha. Tsy vao izao anefa no novolavolaina ny asa fanatsarana sy fanamboarana ny tsena Fihavanana Petite Vitesse fa efa hatramin’ny ela mba hahatonga azy hanara-penitra. Tafiditra ao ny fiavahan’ny toerana ahitana ireo karazan’entana sy kojakoja ilain’ny mponina andavanandro mba tsy hifangaro voraka. Hohatsaraina ihany koa ny trano efa misy izay handeha amina dingana lavitr’ezaka. Nomarihiny manokana moa fa efa nisy kaomisiona natsangana ahitana ny solontenan’ny mpivarotra sy ny kaominina ary ny delege hahafahana mampita ny vaovao tena marina hisorohana ny mety hisian’ny korontana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.