Actualités

Fandaminana ny tsena Petite Vitesse Hiara-kiasa akaiky ny mpivarotra sy ny lehiben’ny tsena


  • Zoma 15 Desambra 2017

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ireo mpivarotra an’arivony eo anivon’ny Tsena Fihavanana Petite Vitesse sy ny lehiben’ny tsena Atoa Razafindrakoto Mbolatiana.

Ho fanatsarana ny fotodrafitrasa iombonana sy hahafahana miaro ny tombontsoan’ny mpivarotra no tanjona izay arahin’ny fanaovana taratasy fifanekena mihitsy ankehitriny. Te hahazo antoka mantsy ireo mpivarotra amin’ity tsena iray ity  fa tsy alana eo amin’ny toerany intsony rehefa vita ara-dalàna ny tsena. Ankoatra izay dia tian’izy ireo ihany koa raha hajaina hatramin’ny farany ilay fenitra napetraka mikasika ireo lalankely manoloana ny tsenany fa tsy sanatria hisolo ny mpitondra any aoriana any dia hisy mpivarotra hanangana fotodrafitrasa vaovao indray manoloana ny tsenany… Hisy moa, amin’ny herinandro ambony ho avy io ny fihaonana mivantana eo amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny solontenan’izy ireo, hotarihin’ny lehiben’ny tsena Razafindrakoto Mbolatiana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT