Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fety isika izao, ka nisy ny fandaminana an’ireo mpivarotra amoron-dalana teny anoloan’ny Esplanade Analakely nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly talata 30 mey 2017.
Nambaran’ny Lehiben’ny Tsena Analakely fa nafindra teo alohan’ny Esplanade Analakely ireo mpivarotra 320 teo amin’ny lalana anelanelan’ny Pavillon Analakely. Ny antony dia ny hamelomana indray ny làlana ho an’ny fiarakodia. Efa hatramin’ny alina no namaritan’izy ireo ny toerana izay tokony hivarotana sy ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Hisy ny antsoina hoe “Stand métallique” izay hapetraka eny amin’ity faritra ity mba ahafahan’ireo mpivarotra mivarotra ara-dalàna tsy hihoatra any ivelany. Marihina fa ireo mpivarotra 320 izay nanaiky ny fandaminana sy efa nisoratra anarana teo anivon’ny kaominana no voakasika tamin’ny fandaminana sy nomena toerana. Nilaza ireo mpivarotra fa manaiky ny fandaminana izay ataon’ny kaominina. Toy ny zanaka sy ray aman-dreny izahay sy ny kaominina, hoy ireo mpivarotra ka raha misy ny fandaminana dia manaiky hatrany izy ireo. « Nanambaran’ny Tale misahana ny Fampandrosoana ny tanàn-dehibe Razafitsihoarana Edison, fa hitantsika eo Analakely ny fandaminana. Hozaraina ny toerana andehanan’ny fiara sy ny asiana ireo mpivarotra amoron-dalana, ka ny olona sahirana ihany no tsijovin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpivarotra amoron-dàlana. Marihana fa ny tanin’ny kaominina dia tsy amidy amin’ny karana na sinoa ary tsy hanao izany mihitsy ny Ben’ny tanàna. Tsy ekena kosa, hoy ny talen’ny fampandrosoana raha olona iray manana toerana telo, ohatra. Nanamafy koa izy fa izay tonga nivarotra omaly dia tsy mankany amin’ny Esplanade intsony fa eo amin’ny faritra efa natokana ho asiana azy ireo. Ankoatra izay, raha mbola misy mpivarotra tsy manara-dalàna sy tsy manaraka ny fandaminana dia horaofin’ny CUA ny entana satria efa nomena toerana tsara sy milamina ny mpivarotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.