Rehefa nalaina am-bavany nandritry ny 4 ora teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary mikasika ilay fanamiana miaramila nilatroan’ny mpanentana ny fandaharana “Tsy mahaleo ny sampona”,
izay endrika mahatsikaiky (Parodie) ny fandaharan’ny filoham-pirenena “Fotoam-bita” ny mpanao gazety Fetra Rakotondrasoa dia nitohy tamin’ny fisavana ny tranony teny Ankaraobato ny raharaha. Ny avy eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena moa, raha ny fanazavana, no nifarimbona nanatontosa ny fanadihadiana. Hatreto aloha, nisy porofo ahafahana mitazona an’i Fetra tamin’ny fisavana natao omaly, hoy ny filoha lefitry ny holafitra, Didy Ratsimbazafy. Ara-dalàna avokoa ny dingana rehetra narahina tamin’ny fanadihadiana fa ny tiana homarihina, amin’ny maha “Parodie” ny fandaharana dia tsy tokony hisy ny olana satria toy ireny mpihira sy mpilalao sarimihetsika manao fanamiana anaty rakitsary rehetra ireny io ary tsy an-dalambe, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.