Actualités

Fanazavana ny tanànan’i Toamasina Nanome takamoa 200 ny fikambanana VHaM


  • Zoma 17 Aprily 2015

Nanomboka omaly ny fametrahan’ny fikambanana V.Ha.M na “Vonogno Hampandroso an’i Madagasikara”, izay iarahany amin’ny teknisianina ny orinasa Jirama sy ny kaominina Toamasina I, amin’ny fametrahana ireo “takamoa” 200 entin’ny fikambanana anampiana ny vahoaka hazava sy hisorohana ny tsy filaminana an-dalambe miha mahazo vahana noho ny fahantrana.

 

 Mizara roa ny toerana hametrahana ireto takamoa 200 ireto, ka ireo toerana tena be mpivezivezy sy be olona ary hitrangana tsy filaminana matetika an-dalambe, no nametrahana izany izay natomboka tamin’ny lalana Bd Joffre – Tanamakoa – Salazamay – Ambohijafy, sy lalana Hopilay kely – Ankirihiry Bazary. Niatrika ny fametrahana izany mihitsy ny filohan’ny Fikambanana Intsourou Eric, izay manohy ny asa soa fanaon’ny rainy hatramin’izay Atoa Intsourou Parfait. Tsy izao fanomezana takamoa ho fanampiana ny mponina sy hisorohana ny tsy filaminana ary manamora ny asan’ny mpitandro ny filaminana izao ihany no ezahina atao, araka ny voalazan’Atoa Intsourou Eric, fa mbola betsaka ny hetsika ara-tsosialy atao ho tombontsoan’ny maro, araka ny filamatry ny fikambanana hampandroso an’i Madagasikara.


 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT