Actualités

Fanazavana ny fampiakarana vidin-jiro Mifanilika ny tompon’andraikitra


  • Talata 12 Desambra 2017

Mifanilika tsy misy mety hanazava ny anton’ny fisondrotan’ny vidin-jiro ho an’ireo antsoina hoe “Gros clients”, dia ireo orinasa vaventy sy ny fomba hampiharana azy ny avy eo anivon’ny orinasa Jirama.

 

Heno fa misondrotra ilay izy saingy tsy mazava ny fisondrotany. Inona no tena anton’ny fampiakarana ary rahoviana ny daty mazava hampiharana azy ? Tena izany ve no vahaolana amin’izao krizy izao ? Araka ny toromarika nomen’ny avy eo anivon’ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI dia nahena ny famatsiam-bola ho an’ity orinasa mpamatsy jiro sy rano eto Madagasikara ity. Tsy misy vahaolana hafa hamenoana ny banga  ankoatra ny fampisondrotana ve ? Raha natonina hanome fanazavana ny tompon’andraikitra misahana ny varotra eo anivon’ity orinasam-panjakana ity dia nilaza fa tsy manana fahefana hamaly ny fanontaniana ny tenany fa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny rano sy Angovo no aleo anontaniana. Ny teo anivon’ity rafitra voalaza farany ity indray anefa dia ao anaty fivoriana lava sy tsy mety azo an-telefaonina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT