Taorian’ny fifampitifirana nitranga herinandro lasa izay dia mitantara mikasika ny nanavotana ny Lietna kolonely Andrianjafy Raymond ny komanda Roger Luc.
Nandritra ny zava-nitranga teny amin’ny Toby FIGN ny alakamisy 20 mey dia tafavory teny amin’ny minisiteran’ny foloalindahy teny Ampahibe ireo tompon’andraikitra maromaro eo anivon’ny miaramila izay notarihin’ny jeneraly Camille Vital. Tapaka tamin’izay, hoy ny komanda Roger Luc fa “izahay no haka ny Lietna kolonely Andrianjafy Raymond mba tsy hisian’ny fifamonoana. Izaho, dia ny chef de corps-n’ny RFI ary ny lefiny no niaraka tamina miaramila naka ny kolonely Andrianjafy Raymond teny an-toerana tokony tamin’ny 6 ora hariva tany ho any. Rehefa niaraka taminay izy dia tapaka fa tsy hapetraka ao Ampahibe ao amin’ny minisitera fa tsy azo antoka loatra ny fitandroana ny ainy ao. Noho izany dia tapaka fa teny Ivato izy no nentina. Izany rehetra izany dia tsy izaho irery no nanapaka azy fa niaraka tamin’ireo olona nivory rehetra tao. Ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny miaramila sy zandary avokoa no tao tamin’izay”, hoy izy.
Araka ny fantatra ihany koa dia tsy misy resaka politika mihitsy ity nangalana ity kolonely ity fa noho ny amin’ny maha samy tranainy tany amin’ny Semipi ireto manamboninahitra ireto no nanaovan’ireo lehibe avy ao amin’ny Toby RFI izany ihany koa. Samy hafa mihitsy mantsy, hoy izy ireo, “na inona ho lazaina na inona ho resahina, ny olona 11 taona dia efa nisalotra ny fitafy miaramila noho ny olona efa 20 taona mahery tany amin’ny Akademia tany Antsirabe vao nahalala ny fiainana miaramila”.
Mikasika ilay lietna maty teny amin’ny BANI
Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina na tamin’ny 10 ora tany ho any no nitranga io toe-javatra io tamin’ny alakamisy 20 mey. Izaho mipetraka amin’ny cité miaramila, hoy ny komandà Roger Luc. “Misy zandriko iray miara-mipetraka amiko efa hatramin’ny 2002. Fantatry ny miaramila rehetra io zandriko io. Rehefa avy niasa izy tamin’io alina io dia tsy navelan’ity lietna ity hiditra ny vavahady. Nampilaza tamiko izy fa tsy afaka miditra teo amin’ny vavahadin’ny BANI. Nandeha nijery ny zava-nisy aho. Tonga teny aho dia olona efa mamo no niresaka tamiko sy nanao rahom-bava. Tsy te hiditra resaka hafa aho. Betsaka ny zava-nitranga teo fa tokony hanao ‘investigation’ ianareo mpanao gazety na hanontany izay mpiambina tamin’io fotoana io”, hoy ny komandà.
Nanohy ny fanazavany izy, nilaza fa “nanontany io lietna io aho ny amin’ny antony tsy hamelany ilay zandriko hiditra. Rahom-bava anefa ny valiny ary izy rahateo moa efa mamo. Nisy ny fikasihan-tanana tamin’izay satria tonga hatrany amin’ny fanomezana baiko hoe fahano ny basinareo, hoy ilay lietna mantsy ireo mpiambina ny resaka. Felaka tehamaina no nahazo azy tamin’izay dia nianjera izy ary niarina avy eo. Mbola io lietna io ihany aza no namoha ilay vavahady ka lasa nody avy eo. Ny maraina moa izaho no nisy niteny fa lasa any amin’ny hopitaly izy satria nanao krizy. Efa nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny fianakaviana taorian’io ary na ireo lehibeko koa aza teo no ho eo ihany dia nanaovako “compte rendu”.
Mikasika ilay hoe misy sergent hafa koa naratra dia nilaza ny ny komandà Roger Luc fa “lainga izany”. Io lietnà io ihany no nifamaly taminy. Mikasika ny basy alaina sy hoe miaramila indray dia nilaza izy fa “ny chef de corps-n’ny RFI sy ny lefiny niaraka tamina miaramilan’ny RFI no naka ny Kolonely Raymond teny Fort Duchesne. Tsy nisy mihitsy ny olana teo amin’ny fitaovana na ny olona noho izany”, hoy izy teo am-pamaranana.
Nangonin’i Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.