Azo lazaina ho tratra aoriana ihany ny fifohazan’i Madagasikara amin’ny fanavotana ny fanabeazana eto amintsika,
raha ny fanazavan-dry zareo avy eo anivon’ny EDEMA na ilay fikambanana mivoy ny fanabeazana ho an’ny fampandrosoana maharitra omaly raha nitarika ny hetsika mitondra ny lohateny hoe “herinandron’ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy” teny Tsiadana. Aleo tara toy izay tsy nanao, hoy ny tompon’andraikitra iray. Anisan’ny fanentanana nanamafisany izany ny fanontaniana miantso fahatongavan-tsaina, toy ny hoe moa ve tsy efa mitady ho lany tamingana ireo biby tsy misy afa-tsy eto amintsika sy ny hoe moa ve tsy efa mitady ho angano sisa ireo soatoavina sy fahendrena maha izy azy antsika. Loza mitatao ihany koa, ny hain-tany any atsimo. Mandritry ny telo andro ity hetsika tontosaina eny an-toerana ity ka fihetsiketsehana maro no hotontosaina amin’izany, toy ny fampiofanana ireo talen-tsekoly mba hahita stratejia hisarihana ny sain’ireo mpianatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Miainga any amin’izay lafiny fikajiana ny tontolo iainana izay ireo fampiofanana, raha ny fanazavana, satria misy fiantraikany lehibe hatrany eo amin’ny lafiny toekaren’ny firenena iray ny fihatsarana na koa fahasimban’ny tontolo iainana ao aminy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.