Actualités

Fanavaoazana ny fitantanan-draharaham-panjakana Hampanarahana ny toetrandro amin’izay…


  • Zoma 01 Desambra 2017

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma 30 novambra ny tetikasa « Fandaharan’asa mitondra fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana mba hanaraka ny toetrandro sy manaraka fandrosoana » notarihin’ny praiminisitra, Mahafaly Solonandrasana Olivier,

 sady minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra ao anatin’ny paik’adim-pirenena ho amin’ny fampandrosoana (Plan National de Développement) mahakasika ny fahaiza-mitantana ankapobeny ny firenena tan-dalàna sy ny fanapariaham-pahefana ny hetsika. Hotanterahina eo ambany fitantanan’ny tale jeneralin’ny fanavaozana ny raharaham-panjakana izy io. Kaominina ambanivohitra amina lafin-tany maromaro amin’ny faritra 6  eto Madagasikara no hisitraka fitaovana, toy ny fitehirizana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy solosaina izay nozaraina omaly. Nandritra ny lanonana dia nomarihan’ny praiminisitra fa anisan’ny programan’ny governemanta ny fanavaozana ny ara-panjakana. Efa miditra amin’ny tontolon’ny fanatontoloana amin’izao ary efa miha-sarotiny ny vahoaka tokony hisitraka ny vokatry ny asam-panjakana, hoy izy. Notsipihiny fa nisantatra ny ezaka nataon’ny governemanta ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny asam-panjakana. Raha miresaka ny eny anivon’ny kaominina dia fandraisan’anjara ahitana vokatra mba hahafahan’ny Ben’ny tanàna manova ny fiainan’ny mponina misitraka sy mandray anjara eny amin’ny kaominina no ilaina, hoy ny praiministra. Mikasika ireo mpiasa any amin’ny faritra kosa dia tokony homena fiofanana, fitaovana sahaza ny tompon’andraikitra eny anivon’ny lafin-tany sy ny fanapariaham-pahefana hahafahany mitondra ny traikefa eny anivon’ny kaominina. Resabe toy ny mahazatra sa mba hisy vokatra azo tsapain-tanana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT