Omaly alatsinainy 04 mey 2015 no nakalazana ny andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety tao Vakinankaratra noho ny filatsahan’ny datin’ny 03 mey alahady. Lanonana tsotra no nentin’ireo mpanao gazety tao Antsirabe nankalazana izany tamin’ny alalan’ny fitokanana ny Tsangambato hanamarihana manomboka izao io andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety io
. Nisy ny lahateny fohy niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ao Vakinankaratra izay nanome lanja ity andro hankalazana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity ary narahina fitokanana ny Tsangambato ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany, izay naorina eo amin’ny kianjan’ny Rosaas eo ampitan’ny Lapan’ny faritra. Nanotrona ny fotoana ny filoha lefitry ny holafitra Faritany Antananarivo ny namana Didi avy ao amin’ny Gazetiko sy ny mpanolotsaina Zo, mpikambana ao amin’ny Biraon’ny holafitra amin’izao fotoana. Marihina fa ny mpanao gazety mivondrona ao amin’ny VMA na ny “Vondron’ny mpanao gazety Antsirabe” no tompomarika tamin’ny fankalazana izany tany an-toerana.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.