Delegasiona mafonja avy amin’ny tetikasa Ambatovy omaly no tonga nihaona tamin’ny lehiben’ny faritra vaovao Ranaivonirina Jean Yves tany Ambatondrazaka. Niaraka nijery ny fomba hampiasana ilay vola 500 000 dolara ny roa tonta sy ny ben’ny tanŕnan’Ambatondrazaka.
Nezahana navoitra ireo heverina fa laharam-pahamehana ho an’ny faritra sy ny kaominina eo amin’ny lafiny fanamboaran-dalana. Tokony hohafainganina io tetikasa io, hoy ny lehiben’ny faritra fa efa sasa-niandry ny vahoaka. Nanome toky ny tetikasa Ambatovy fa tsy ho ela intsony izay fanombohana ny asa izay. Voaresaka nandritra io dinika io koa ny mahakasika ny lalam-pirenena faha-44 sy ny fijaliana ara-tsolika mahazo ny faritra ka nanambara ireo delegasiona avy any Ambatovy fa hanao tatitra amin’ny lehibeny.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.