Tontosa tetsy Mahamasina omaly alarobia ireo lalao famaranana ny taranja baolina kitra sy baskety baolina ho an’ny fanatanjahantena an-tsekoly eto amin’ny “Cisco” Antananarivo Renivohitra.
Nanao pao-droa Ambohimanarina raha ny marina satria nandrombaka ny amboaran’ny lalao baolina kitra sokajy Ceg raha nandresy ny Ceg Tsimbazaza tamin’ny tirs au but 4-3 (1-1 tamin’ny fotoana ara-dalàna). Ny Lycée Ambohimanarina kosa teo amin’ny sokajy zokiny nandavo ny Lycée JJ Rabearivelo teo amin’ny taranja basikety zatovovavy. Teo amin’ny vokatra hafa, ny Lycée Andohalo no nahery nanoloana ny Lycée Faravohitra teo amin’ny baolina kitra ary Faravohitra nandavo an’i Nanisana teo amin’ny basikety zatovolahy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.