Actualités

Fanasoavana ny mpiara-belona Nahavita tetikasa iray goavana ny Hafari Malagasy


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Tsy nipetra-potsiny ny fikambanana Hafari Malagasy nandritra ny fotoana nilatsahan’ny ranon’orana fa nanatanteraka tetikasa iray goavana entina hanampiana ny mpiara-belona indray

 

. Manatanteraka ny adidinay izahay, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina amin’ny maha fiarahamonim-pirenena anay izay tsy natao hakana fahavalo ny hafa. Nirona tamin’ny asa fanabeazana izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity ka nanangana ivontoerana iray handraisana ireo zaza kamboty sy tsy manam-piahy. Mitentina 100 tapitrisa Ar ny  fotodrafitrasa, ka ireo mponin’i La reunion kely no hahazo tombontsoa amin’izany. Medrika hampiana izy ireo, hoy ny filohan’ny hafari satria efa hita ny finiavany  hiditra anaty fiarahamonina. Tsy tokony hatosika intsony izy ireo fa mila harenina, indrindra fa ny toe-tsaina izay tena olana goavana eto amintsika. Aorian’ny fanokanana ny fotodrafitrasa anio moa dia hiverina amin’ny fikarakarana ilay tetikasa fifindra-monina indray ny fikambanana  hafari Malagasy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT