Actualités

Fanarenana ny Rova 20 miliara ariary no mbola tadiavina


  • Sabotsy 07 Novambra 2015

Nanamarika ny fahatsiarovana ny faha-20 taona nahamay ny Rova omaly ny fanoloran’ny masoivohon’i Alemaina sary miisa 45 nanavaozana ireo sary hosodoko may tamin’ny 1995.

 

 Rtoa Roth Gangen manampahaizana Alemana amin’ny fakana sary no nanatontosa azy ireo, izy izay naka sary ireo tabilao tao anaty Rova tamin’nytaona 1988, izany hoe mialoha ny nahamay azy. Ireo no namboarina sy nohatsaraina ka izao natolotra ny Malagasy izao indray. Fa teo ihany koa ny fanolorana ireo tabilao miisa 10 asa tanan’ny mpanao sary hosodoko Malagasy toa an-dry Dadasamy, Ramanantsoa ary Ramanankirahana. Ny 20%-n’ireo vakoka sy fitaovana tao anaty rova ihany no avotra tamin’ny 1995 ka izany no maha zava-dehibe ny fihetsika tahaka izao, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina satria manome lanja ny tantara sy ny kolontsaina Malagasy amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 20 miliara ariary ny vola mbola ilaina amin’ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana. Nilaza ny efa nanome vola ny fiadidiana ny repoblika, betsaka anefa ny tsy maintsy karohana. Tsy fantatra kosa ny hitohizan’ny asa fanarenana ny Rova. Raha nanontaniana ny momba ny fanadihadiana ny amin’ireo atidoha nikotrika ny fandorana ny Rova kosa ny filoham-pirenena dia valin-teny mihanihany no nasetriny ary nilazany fa ny mpanao gazety no tokony hanome vaovao azy ny momba izany fa tsy fantany izay tena marina.


 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT