Actualités

Fanarenana ny RN 5 Be resaka fotsiny ny Mainland ?


  • Talata 28 Aogositra 2012

Araka ny nambaran’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Saina Michel, dia vonona ny hanamboatra sy hanarina ny fahasimbana nateriky ny fampiasany be loatra ny lalam-pirenena faha-05 ny orinasa MainLand.

 Nambarany hatrany fa hamboarina hanara-penitra ny lalana ary tsy ho ela dia hatomboka izany. Tsy vao izao anefa no milaza ny ho vonona amin’ny fanamboarana ny RN 5 io ity orinasa Sinoa Malagasy mitrandraka fasimainty ao akaikin’i Soanierana Ivongo ity, ka mitatitra izany amin’ny fiara vaventy mandrapahatonga ao Toamasina renivohitra hanondranana azy anaty kaontenera. Ny volana jolay tamin’ny taona lasa no efa nilaza tamin’ny lehiben’ny faritra atsinanana, Mahavimbina Alain ny teo anivon’ny MainLand fa hanome vola amina miliara ariary hanamboarana ilay tetezan-kambana ao akaikin’ny kaominina Antetezambaro sy hanatsarana ny RN 5 izy ireo. Herintaona aty aoriana, na ilay tetezana nolazaina fa hamboarina aza tsy vita fa ny teo ihany no mody nohamafisina. Ny lalam-pirenena faha 5 kosa raha tsy misy ireo « colas junior » manamboatra izany ary maka vola amin’ny mpampiasa ny lalana, mety efa tsy azo aleha sy tapaka tanteraka mihitsy ihany koa.

Ho an’ny mpampiasa sy ny mpitatitra ary ny mpiala sasatra mandalo amin’ny RN05 aloha, dia tsy mino ny hanamboaran’ny MainLand ity lalana ity izany intsony. Ny ministeran’ny asa vaventy koa ao anatin’izany mitazam-potsiny toy ny ataony amin’ny lalana maro be mihotsaka amin’iny lalam-pirenena faha-02 iny. Ankoatra izay, ny tsy mazava hatreto dia mandoa vola amin’ny fanjakana amin’ny fampiasany mihoatra ny zakany lalana ve ny orinasa MainLand ? Raha mandoa izy, nankaiza ny vola ? Raha tsy mandoa kosa, inona no antony ? Fantatra mantsy fa olo-malaza mpandraharaha iray nahatonga izao fitondrana tetezamita izao no anisan’ny mpitantana sy mpampiasa vola betsaka ao anatin’ity orinasa MainLand ity. Mety ho izay koa no antony tsy hitenenana azy na efa manimba ny lalana sy ny fiharian’ny olona mpitatitra ary ny tontolo iainana amin’ny fitrandrahana ataony…Ho hita eo anefa ny fanamboaran-dalana manara-penitra hataon’izy ireo araka ny nambaran’i Saina Michel, lehiben’ny faritra Analanjorofo.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT