Actualités

Fanarenana ny firenena Ho avy ny TIKO


  • Alakamisy 03 Septambra 2015

Tsy dia niresaka politika firy i Marc Ravalomanana tto ho ato fa nifantoka tamin’ny fampihodinana indray ny orinasa nantsangany. Nandefa taratasy tany amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy ny 28 aogositra lasa teo

 

. Manambara io taratasy io fa vonona ny hanefa ny trosany amin’ny fanjakana ny orinasa Tiko aorian’ny kajy iarahan’ny roa tonta manao. Araka ny voalazan’ny tondrozotra izay efa lasa lalàna mantsy dia mahazo vola onitra ihany koa ireo orinasa niharam-boina noho ny raharaha 2009.

Fampandrosoana ny firenena

Ny fampandrosoana an’i Madagasikara izao no zava-dehibe, hoy i Marc Ravalomanana ary vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny Tiko. Tahaka ny efa natao teny Tanjombato dia natomboka omaly ny fanadiovana ny toerana misy ny Magro etsy Ankorondrano, niarahan’ny mpiasa sy ny mpitantana ny orinasa. Tantsoroka ho amin’ny fampandrosoana ny indostria sy famoronana asa eto Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana, hoy i Marc Ravalomanana omaly. Tsy maintsy hisy ihany koa tamberim-bidy avy amin’ny fihodinana orinasa goavana tahaka ny Tiko ka hahafahana manatratra tsara ny tanjon’ny politikam-pampandrosoan’ny fanjakana ho an’ny firenena, dia ny PND. Aleo ampanginina ny hampom-bo sy ny lonilony fa ny fampandrosoana ny firenena no hobanjinina, hoy ny filoha mpanorina ny Tiko. Tena mahatoky ny tsy maintsy hisokafan’ny Tiko aho, hoy i Marc Ravalomanana ary efa maro ireo mpiara-miombon’antoka sy solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena tafaresaka tamiko momba izany tahaka ny vondrona afrikanina, vondrona eoropeanina, Etazonia, Afrika atsimo. Manodidina ny 100 teo ireo mpiasan’ny Tiko niara-nisalahy nanadio ny Magro Ankorondrano omaly ary mbola atao tahaka izany daholo ny toerana misy ny orinasan’ny Groupe Tiko rehetra. Re moa fa mety ho hita ihany ny marimaritra iraisana eo amin’ny fanjakana sy ny Tiko ho amin’ny fampihodinana indray ity orinasa ity.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT