Nampikorontana ny tontolon’ny fitaterana tao amin’ny lalam-pirenena faharoa nandritra ny roa andro ny fanarenana ilay fiara nanao lozam-pifamoivoizana tao Ambatomivaha.
Vokatry ny fahafatesan’ilay milina lehibe teo afovoan’ny arabe dia nihitsoka tao Ambatomivaha avokoa ny fiara rehetra nanomboka ny alin’ny zoma teo. Nahatratra kilometatra maro ny fitohanana, nanomboka tao Ambatomivaha ka hatrany Ambatolaona. Voahelingelina hatramin’ny zotran-dalamby MLA. Tavela tany Ambatomivaha ny ankamaroan’ireo mpandeha fiaran-dalamby hihazo an’Alaotra. Nanampy trotraka ny fitohanana ny tsy fahaiza-mifandefitra teo amin’ireo fiara mifamezivezy amin’iny lalana iny. Tsikaritra fa tsy ampy ny fikojakojana iny lalam-pirenena faharoa iny ka manampy trotraka ny fitohanana efa misy ny haratsin’ny fotodrafitrasa.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.