Actualités

Fanarenana an’i Madagasikara Fiovan’ny toetsaina no ilaina voalohany


  • Zoma 24 Novambra 2017

Maro amin’ireo Malagasy manana fahafahana mivoaka any ivelany no velom-pitsiriritana ireo firenena lalovany na eo amin’ny hakanton’ny tanàna, ny hatsaran’ny fotodrafitrasa, ny hadion’ny tanàna.

Tsy handeha lavitra akory isika, fa atsy amin’ny Nosy Maorisy, ohatra, dia efa lasa lavitra be mihoatra antsika raha ny resaka filaminan’ny tanàna sy haraitran’ny fotodrafitrasa. Mitsiriritra amin’ny saina tsy miangatra, ary mialona amin’ny fomba mihaja no ataontsika, hoy ny fitantaran’ny mpanakanto Gothlieb. Manao kapa “scoubidou” ny mpitondra akondro amin’ny bisikileta, fa manaja ny “feu rouge”, ary mba aiza ho aiza ny mpitondra sarety entin-tànana aty amintsika hoy hatrany ilay mpanakanto nijoro vavolombelona ? Mitovy ny antsika ny sary andavanandro : olona , trottoir , magazay . Fa ao ambany ao misy lakan-drano sy dalina, fa rano ihany no mandeha ao, tsy misy fako sy tavoahangy plastika. Tontolo madio no iainan’ny olona. Tsy tongatonga ho azy ny fahombiazan’ireny firenena ireny, fa nisy ezaka sy finiavana teo amin’ny mpitondra miampy ny faharesen-dahatry ny rehetra. Tsy tongatonga ho azy ny fandrosoan’ny firenena iray fa avy amin’ny fahaizan’ny mpitondra mitarika ny vahoaka, ary ny vahoaka koa tompon’andraikitra, mahalala ny tokony hataony, manaja ny fitsipika sy ny fepetra ifampitondrana. Mazava ho azy fa mila mampiseho fitondran-tena sy fomba fiasa mendrika ny mpitondra raha te ho to teny amin’ny vahoaka entiny. Mba efa nisy ihany ny jery lavitra tamin’ny programam-pandrosoana voapetrapetraka tamin’ny alalan’ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa) fony fitondrana Ravalomanana, saingy izao sisa no nihafarany noho ny kolotsain’ny famotehana. Tsy vitan-tsetsetra io, fa mila finiavana sy fahatongavan-tsaina miaraka ho an’ny sokajin’olona rehetra.  


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT