Actualités

Fanarenam-pirenena Mihetsika ny Katolika


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Latsaka an-katerana tanteraka sy tafahitsoka tanteraka ao anatin’ny fahantrana ny firenentsika. Miara-miaina izany isika rehetra, ary samy manam-paniriana ny hitondra fanovana, hoy ny fanambarana lehibe nataon’ny fikambanana Katolika K3F (Komitin’ny Fahamarinana-Fandriampahalemana-Fiadanana) tao amin’ny Lapan’ny Kilonga ao amin’ny Saint Jean Vianney Ambalapaiso Fianarantsoa omaly.

 

Roso ny atrikasa nasionaly goavana mitondra ny lohahevitra « Fanarenam-pirenena tena izy » hatao ao amin’ny Kolejy Masindahy Saint François Xavier Ambatomena Fianarantsoa ny 17-18 aprily ho avy izao. Hitondrana vahaolana hahafahana mamoaka ny firenena ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahasahiranana sy ny tsy fandriampahalemana izao no tanjona. Hasaina amin’izany ireo rehetra mahatsapa fa manana adidy amin’ny fanarenam-pirenena, toy ny raiamandreny am-panahy, fikambanana isan-tsokajiny, firaisamonim-pirenena, manampahaizana avy amin’ny oniversite, ny mpanao politika,… izany hoe ny herivelona marobe eto amin’ny firenena no ho voasolo tena any Fianarantsoa amin’ireo andro manan-danja lehibe roa ireo satria tombanana ho 500 ka hatramin’ny 700 na mihoatra aza no ho avy, ary maro no efa vonona.  Efa ela no namolavolana ity atrikasa nasionaly « Fanarenam-pirenena tena izy » ity, ary tsara fitontona satria mifanandrify amin’ny olana lehibe sedrain’ny firenena. Maro no miandrandra, fa ahitana vahaolana ao anatin’io atrikasa lehibe io. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa teraka antsoavo nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka eo anivon’ny Fiangonana katolika ny 13 mey 2017 manoloana ny fahalovana sy ny tsy mety eto amin’ny firenena ny nijoroan’ny K3F. Nivoitra tamin’izany rahateo ny fitadiavana sy fikatsahana « fiovam-penitra mahery vaika »  mahery vaika eto amin’ny firenena satria manjaka ny tsy fandriampahalemana, manjaka ny jadona,… Sehatra ivondronan’ny olom-pirenena hikatsahana ny soa iombonana, hitadiavana lalana mahomby hanavotana ny firenena. Efa miparitaka amin’ny faritany 6 sy ny faritra eto Madagasikara ny K3F amin’izao fotoana izao, ary ahitana mpikambana avy amina sehatra isan-tsokajiny, toy ny raiamandreny am-panahy, mpanao politika, olom-pirenena tsotra,… Hitodika any Fianarantsoa izany ny mason’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena amin’io herinandro ho avy io, izay inoana ny hisian’ny tsoa-kevitra goavana momba ny fanarenam-pirenena aoriana kely.

Toky R sy Marigny A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT