Actualités

Fanaratsiana an’i Voahangy Rajaonarimampianina Ho avy ny fisamborana


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Na tsy misy aza ny fanehoan-kevitra mivantana ataon’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina momba ireo resaka mivoaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery, dia re fa tezitra mafy ny tenany.

 

 Resaka mivoaka avy any an-dapa any ny mety hisian’ny sazy henjana ho an’ireo izay tratra sy voamarina ny fisian’ny fanalam-baraka sy faniratsirana na koa fanapariahana vaovao diso hoenti-manaratsy ny vadin’ny filoha.  Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, sesilany ny fanehoan-kevitra toa niniana naparitaka momba ny fanadiovana sy fanatsarana azy hoe olona tsotra sy tsy mba mamaly fihantsiana, saingy ezahina rangitina hatrany. Nisy ihany koa ny mpanao politika niteny nivantana tamin’ny haino aman-jery nanadio sy nanatsaratsara azy. Tsy fantatya izy ireny na nirahina na nokaramaina na nandeha tamin’ny nahim-pony. Nanao ny azy ihany koa ny vehivavy ao amin’ny antenimierandoholona izay tsy nanonana ny anaran’ny vadin’ny filoha, saingy tombanana fa misy ifandraisany. Vontoatin’ny fanambarana izay misy sonian’i Rivo Rakotovao ny antso avo manoloana ny fanakorontanana ny saim-bahoaka amin’ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra atao amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera. Nisy ny fanambaran’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, izay nampahatsiahy ny fanajana ny etika sy deontolojia amin’ny asa fanaovan-gazety. Noresahina manokana ny momba ny vadin’ny filoha, ary nabaribary ny mety hisian’ny fanenjehana hatrany amin’ny fitsarana manoloana ny fanelezana resaka tsy marina sy fanalam-baraka. Tafiditra ao anatin’izany ity raharaha Voahangy Rajaonarimampianina ity. Orinasa fanaovan-gazety tsy miankina iray no re fa mety tsy hamelan’ny fitondrana HVM noho ny vaovao navoakany ny fiandohan’ny herinandro teo, ary hahita raharaha aminy mihitsy ny tompony noho io resaka fanaratsiana io. Tsy ho ela ny fisamborana sy ny fanenjehana ara-pitsarana, raha ny loharanom-baovao azo, saingy tsy hay izay mety ho fiovan-javatra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT