Fanjakan’ny malemy sy halam-bahoaka no misy eto, ka zary ataon’ny mersenera politika fitangosam-bola.
Ny vola sy ny herim-pamoretana mantsy sisa hianteherana, ka dia mikaoty ireo marivo salosana sy mamba noana amin’ny fanaovana politika ny fanajakana kanosa. Mikarama manaratsy an’i Marc Ravalomanana ireny olona ireny, saingy toa tsy mampiova na inona na inona. Miha mitombo hatrany, ohatra, ny haino aman-jery toa voavidin’ny mpitondra hatramin’ny tompony angamba, ka saika isan’andro no manao anton-dresaka ny momba ny filoha teo aloha. Misy ny efa nomena toerana minisitra mihitsy ny tompony ary ao no voalaza fa mbola hapetraka eo amin’izany toerana izany. Ny mahagaga anefa dia tsy arakaraka izay fitomboan’ny mpanejika izay ny fiakaran’ny fankafizan’ny olona an’i Marc Ravalomanana, izany hoe na ireny olona heverin’ny HVM ho manana tanjaka politika afaka hanampy tosika azy ireny aza, dia tafiditra ao anatin’ilay antsoin’ny olona hoe soavaly be tongotra satria matoa mbola mitombo hatrany ny lazan’ilay olona haratsiana, dia tsy misy mpihaino sy tsy misy mpanaraka ny mpanaratsy azy. Na mety hisy mpihaino ihany fa tsy misy mpanaraka. Zara aza anefa misy ny HVM mba hatao fitaovana sy higohana tombontsoa.
Malalaka ny fanasoketana
Voizina andro aman’alina fa hanongam-panjakana sy hamboly korontana eto amin’ny firenena i Marc Ravalomanana. Izany no mba porofon-kevitra hoenti-misakana ny Antoko Tiako I Madagasikara sy ny filoha mpanorina azy tsy hanao hetsika fanamarihana ny faha-15 taoany eny Mahamasina. Nambara tamin’ny fandraran’ny mpitandro filaminana tany aloha fa nahazo loharanom-baovao amin’ny hisian’ny asa fanakorontanana izy ireo, saingy mba nisy na olona iray nosamborina na nohadihadiana momba izany ve ? Sesilany ny filazana fa hanongam-panjakana ny filoha teo aloha, saingy inona no tsy hisamborana azy? Zavatra saropady izany resaka fanonganam-panjakana izany saingy tonontononim-poana sy toa vorona azon’adala ny fivoizana azy, ary zary voambolana tsy afaka am-bavan’izao bodo sy adala rehetra izao. Toa efa zary tsianjery maimbo ny fanasoketana, ka iniana tsy henoina sy havadika hatrany ny fanehoan-kevitra ataon’i Marc Ravalomanana fa hanaja ny lalàmpanorenana izy, ary manaja ny fifadimbiasam-pahefana demokratika. Fivoizana fihavanana mba ho tombotsoan’ny firenena no nataony nandritra ny kabariny teny amin’ny hotely Carlton ny 8 jolay lasa teo. Mbola nilaza ihany koa izy fa tsy hanongam-panjakana izany nandritra nandritra ny valandresaka nataony ny 14 jolay nanamarihana ny fetim-pirenena Frantsay teny Ivandry. Mahana tsy enjehina tokoa, ka tsy atao mahagaga raha efa mahatsapa tena ho mihozongozona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.