Actualités

Fanararaotam-pahefana Fiaran’ny tafika nanaovana bizina lodsia


  • Alatsinainy 03 Desambra 2012

Nentina vadina manamboninahitra nanaovana bizina lodsia tany Ihotsika, Kaominina Mahavelona Foulpointe ny fiaran’ny tafika Malagasy, natao hanatanterahana ny asany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny tanindrazana, araka ny filamatry ny tafika.

 Amin’ny maha fiaram-panjakana ity fiara be ity dia volam-bahoaka no nandoavana ny solika lany taminy, hany ka sady tsy miady varotra amin’ny fividianana ny lodsia, no mbola sahy mampiakatra izany ihany koa, ilay vadina manamboninahitra nitondra azy. Sorena sy tezitra ary nalahelo tamin’ity zava-nitranga tany Ihotsika - Mahavelona Foulpointe ity ireo tena mpanangom-bokatra matihanina sy nandoa ny haba ary mbola manofa fiara.

“Raha 10.000Ar no ividianan'ny mpanangom-bokatra rehetra ny lodsia iray kesika milanja 20kg eo ho eo, dia nahavita nampiakatra izany ho 12.000 hatramin’ny 13.000Ar ilay ramatoa vadina manamboninahitra nitondra ity fiaran’ny tafika ity”, hoy ireo mpanangom-bokatra velon-taraina. Raha nanontaniana moa ny lehiben’ny tafika misahana ny faritanin’i Toamasina (RM3), ny Jeneraly Rasamoelina, dia nilaza fa “tsy anay eto Toamasina io fiara io amin’ny sary asehonareo io”.

Rakoutou

Hevitry ny Tia Tanindrazana

Tsy mbola mivaha fa miandry fanadihadiana iraisam-pirenena ny raharaha famonoan’olona any atsimo, dia izao indray misy ity raharaha fiaran’ny tafika ampiasaina amin’ny tsy andraikiny ity. Izao tokoa izany ilay “fanovana ny tsy nety” notakiana sy nanenjehana ny mpitondra teo aloha, telo taona lasa izay.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT