Hatahorana hivadika fikomian’ireo tantsaha sy ny vahoaka ao Vohidiala Ambatondrazaka amin’ny lalam-pirenena faha-44 iny, ny fihetsika ataon’ingahy Masindimby 65 taona mpiavy avy any atsimon’ny nosy monina ao Vohidiala, amin’ny fanagadrana olona tsy misy antony sy ao anatin’ny famoronana tanteraka amin’izay hahafahany maka mora foana ny tany fambolen’ireo tantsaha vary sy antom-pivelomany.
Mpanagadra tantsaha
Mirehareha i Masindimby noho ingahy tonia mpampanoa lalàna ao Ambatondrazaka tanan-kavanany satria mpamboly varin’io ny tenany. Voafehiny hatramin’ireo mpitandro ny filaminana sy tompon’andraiki-panjakana maro any an-toerana. Raha ny angom-baovao marim-pototra izay nohamarinin’ny mpanao gazety tany an-toerana dia efa olona 6 mirahalahy tantsaha mpamboly vary tao amin’ny fokontany Manaratsandry Manakambahiny andrefana Ambatondrazaka no efa notoriany tamin’ny tsy marina noho ny vaky trano nahazo ny zanak’ity Masindimby ny 18 aprily teo no niatombohan’ny raharaha. Ilay zanany very fananana anefa tsy nitory fa izy rainy indray no nametraka fitoriana ary izy mihitsy no nisambotra azy 6 mirahalahy nitondra azy tao amin’ny tobin-janaparitry ny ny zandary ao Vohidiala ny 21 aprily izay mbola sahiny ny nidaroka azy ireo teo anatrehan’ny zandary. Raha nanontaniana izany ny lehiben’ny zandary GP2C Andrianasandratra Ndimbisoa Tafita dia nilaza fa “tsy hita intsony lesy fa sarotra ny fiainana sy ny toerana misy anay, ka aleo aho tsy hiresaka be momba an’io raharaha io” (?).
Miankina amin’ny fahendren’ny fitsarana
Ho an’ny fokonolona ao Manarantsandry Ambatondrazaka dia miakatra ny hafanana ankehitriny, ka mampanahy ny hiitarany amin’ny zavatra hafa. Miangavy ny fitsarana izy ireo hijery ny “marina”, miangavy ny fanjakana koa hijery akaiky sy hanasazy an’i Masindimby mba tsy hitarika zavatra hafa hanimba ny fiarahamonina any an-toerana. Ireo tantsaha mivelona amin’ny voly vary sy fiompiana indray mantsy no ambarany ho “dahalo iray tanàna”. Ankoatra izay, efa ela nipetrahana tao Antsampanana Vohidiala an-taonany i Masindimby, nefa hatramin’izao dia tsy manaiky hisoratra eo anivon’ny fokontany noho ny fandosirana adidim-pokonolona. Vokatr’izao toe-javatra izao, dia manahy ny vahoaka sy tantsaha ao Vohidiala fa ho maro indray no higadra amin’ny fotoana fiakaram-bokatra manaraka, fa izay fanasoketana tantsaha izay no tena angadin’ity Masindimby ity.
Rakoutou (Namita iraka manokana tany Ambatondrazaka)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.